Fandriampahalemana

Fisolokiana avo lenta Voapoizina ara-tsakafo no sady very fananana ilay tovolahy


  • Alatsinainy 19 Septambra 2022

Dia tena tsy misy tandroka tokoa ny ratsy ! Tovolahy iray tombanana ho 21 taona eo ho eo no nitaraina fa nisy nisoloky ny faran’ny herinandro teo teny Ampefiloha.

Maraina tokony ho tamin’ny 09 ora no nitrangan’izany raha araka ny fitantarany. Rangahy voalaza fa efa antitra sy fotsy volo no nahavita nisoloky azy. Nilaza ity farany raha araka ny nambarany fa mahafantatra sy efa nahita azy tamin’ny vata fahitalavitra ka mba te-hanampy azy, hono, . Nomeny sakafo ity tovolahy ity nandritra izany ka toy ny voan’ny fandraikiraikena ary tsy nahatsiaro tena intsony. Very vokatr’izany ny bisikiletan’olona nindraminy nentina niakatra teny Ampefiloha teny, niaraka tamin’ilay finday teny an-tanany. Raha araka ny vaovao azo hatrany moa dia tonga tany amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha ity tovolahy ity vao nahatsiaro tena. Nalemy tsy afa-nitsangana izy hoy ny fanazavany ka tsy maintsy nentina notsaboina. Mbola tsy nahazoam-baovao moa ny mikasika ilay Rangahy voalaza fa nisoloky sy ny fananan’ity tovolahy ity izay very.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT