Noraisim-potsiny tamin’ny alina ireo jiolahy mpangalatr’omby, noho ny fiaraha-miasan’ny mpitandro ny filaminana sy ny mponina.
Dahalo raindahiny miisa telo nandray anjara tamina halatra omby maro tao amin’ny faritra Antsiranana no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny Boriborintany faharoa Manongalaza ny alakamisy 18 aprily sy sabotsy 20 aprily 2019 lasa teo. Niara-niasa akaiky tamin’ny andrimasom-pokonolona ny polisy teo amin’ny fikarohana. Nahitam-bokany izany ka voasambotra ny alin’ny alakamisy 18 aprily 2019 tao amin’ny faritra Manongalaza Antsiranana ny iray tamin’izy ireo. Natao ny famotorana teo anivon’ny kaomisarian’ny Boriborintany faharoa Manongalaza ary tamin’izany no nanoroany ny toerana misy ireo namany roalahy hafa. Ny sabotsy 20 aprily no natao sarika am-pandriana ireo jiolahy roa hafa ka tratra tao an-tranony. Rehefa nosavaina ihany koa ny trano dia nahitana karazan’antsibe sy jabora mandry natao tanaty sobika lehibe ary tady famatoran’omby. Ireo fitaovana ireo moa dia fitondran’izy telo lahy manao ny asa ratsiny. Niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotorana azy. Naiditra am-ponja vonjimaika mandra-piandry fotoam-pitsarana azy.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.