Niteraka resabe teny anivon`ny fiarahamonina ilay resaka grenady nipoaka teny amin’ny foiben-toeran’ny antoko Hery Vaovaon’i Madagasikara (HVM) teny Antanimena ny sabotsy lasa teo.
Ny polisim-pirenena ao amin’ny sampana heloka bevava (BC) no nandray an-tanana ny fanadihadiana ary andrasana ny voka-pamotorana. Indrisy, tsikaritry ny maro fa ampy traikefa amin’ny politika ny fitondrana ary sarotra inoana fa asa fampirorohona iny tranga iny. Tsikaritra fa rehefa akaiky zavatra mafana toy izao ny fiainam-pirenena dia tsy maintsy misy tranga hafahafa toy izao hadalana saim-bahoaka. Tranga mateti-piseho ny fipoahana baomba tamin`ity fitondrana ity toy ny tetsy Anosy, Mahamasina ary Tsimbazaza, kanefa tsy nahitana voka-pamotorana hatramin’izao na dia nahafatesana sy naharatrana olona aza. Aiza daholo ny valim-panadihadiana mahakasika ireo raharaha ireo? Tsy misy voaheloka na natao famotorana lalina. Ny raharaha tetsy Mahamasina moa dia nahatsikaiky satria noheverin’ny tompon’andraikitry ny fanadihadiana ho tompo-marika tamin’ny fanapoahana izany ireo roa lahy namoy ny ainy tamin’iny fotoana iny. Natao fisavana ny trano ipetrahan`izy roa lahy sy nanadihady ny mombamomba azy ireo. Raha famangiana fampiononana sy fanampiana amin’ny fandevenana ny razana mbola eny am-bohitra no nandrasan’ireto fianakaviana ireto dia akory ny alahelon’izy ireo fa tonga nisava ny trano ary nanakorontana ambony ambany ireo entana tao an-trano ireto mpanao famotorana. Ahiana aloha fa ho atao fomba amam-panao izao fomba ratsy izao ary tetika hanimbana sy hamingana ireo adversera tena atahorana. Tena mila malina ny rehetra fa ho avy atsy ho atsy ireo kajikajy politika indrindra amin`ìzao taom-pifidianana izao ka mipoitra daholo ny resa-be etsy sy eroa, tantara atsangana sy sarimihetsika, mba hanodikodinana ny saim-bahoaka tsy hifantoka amin’ny fahasahiranana sy ny fiainam-pirenena.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.