Fandriampahalemana

Finafihana mitam-basy Voasambotra ilay jiolahy mpamerin-keloka


  • Talata 11 Septambra 2018

Nifamaliana ny tifi-basy tao amin’ny zanabohitra Tanambao Fokontany Ambohimasina, Kaominina ambonivohitra Ambatondrazaka omaly.

 

 Nikoropaka ny mponina. Fisamborana jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana mitam-basy ao an-drenivohitry ny Faritra Alaotra Mangoro sy ireo kaominina manodidina no antony. Tsy nanaiky nilavo lefona mora foana ilay jiolahy na dia efa notemerin’ny mpitandro ny filaminana aza ny faritra nisy azy.  Voasambotra ihany moa izy rehefa tapi-dalan-kaleha. Jiolahy mpamerin-keloka ity voasambotra ity. Tsy maharitra ela any am-ponja izy dia votsotra na dia tratra ambodiomby aza, araka ny fanamarihan’ny mponina. Hanao ahoana indray ny amin’ity in-dray mitoraka ity ?

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT