Fandriampahalemana

Fifanjevoana tao Toamasina Jiolahy 3 maty, polisy 3 voatifitra


  • Talata 15 Desambra 2020

Jiolahy telo saika hanafika Cash Point tao amin’ny Cité Haras Toamasina no maty voatifitra omaly.

 

 

 

 Saika hanafika izy ireo, saingy nisy nahatsikaritra ka nampandre ny polisy omaly maraina. Tonga ireto farany, hany ka namely sy nitifitra ireo olon-dratsy. Voatifitra teny an-toerana ny iray, ary tafatsoaka ny roa. Tratra tany amin’ny Relax Andranomadio anefa izy ireo ny tolakandro, ka raikitra indray ny fifanjevoana, nirefodrefotra ny basy ka maty tsy tra-drano ireo olon-dratsy. Polisy 3 ihany koa no voatifitra sy naratra. Voa teo amin’ny feny ny iray saingy soa fa tsy nahazo taolana, teo amin’ny tratrany ny polisy roa, saingy nisy ny fiarovana “gilet par balle”, ka tsy dia voa mafy. Samy manaraka fitsaboana avokoa. Azon’ny polisy avokoa ny basy miisa 3 tany amin’ireo olon-dratsy, izay tena mahery vaika.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT