Efa noraisina avokoa ny fepetra rehetra ialana amin’ny mety hisian’ny trangana kolikoly amin’ny fifaninanana hidirana ho polisim-pirenena nanomboka ny sabotsy teo,
hoy ny minisitry ny filaminana anatiny, Jean Jacques Andrianisa. Miisa 12.231 moa ireo mpiadina izay miparitaka amina ivontoeram-panadinana miisa 15 manerana ny nosy ary 1.000 ihany no hotsongaina. Anisan’ny toerana hifaninanana ny ho kaomisera miisa 20 sy toerana maha ofisie 30 ary mpanara- maso miisa 100. Andrasana ny fizotry ny fifaninanana sy ny famoahana ireo vokatra.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.