Avotra soamantsara ireo telo mianaka nalain'ny dahalo takalonaina nandritry ny fanafihana sy halatr'omby tao Ambinagnisoa, fokontany Mahasoa/Pomay, kaominin’i Malaimbandy, faritr’i Menabe, ny alin'ny 6 hifoha 7 oktobra teo tamin'ny 2 maraina, hoy ny fampitam-baovao.
Omby miisa 5 no nalain'ireo dahalo miisa 7. Nentin'izy ireo ihany koa ny renim-pianakaviana iray miaraka amin'ny zanany kely roa natao takalonaina. Raha vao nahazo fanairana ny Zandarimaria tao an-toerana dia nanainga ireo Zandary am-polony avy ao amin'ny "Centre Spécial d'Aguerrissement Opérationnel » na (CSAO) Malaimbandy. Raikitra avy hatrany ny ara-dia an’azakazaka miaraka amin'ireo fokonolona. Tao amin'ny kizo atao hoe Andafiha eo avaratr'i Ambia fokontany Ankilibe, kaominina ambanivohitr’i Malaimbandy no tratra ireo dahalo. Fifandonana mahery vaika no niseho ary voatifitra ny iray tamin'ireo dahalo. Naratra ilay renim-pianakaviana takalonaina. Rifatra nilefa ireo dahalo ary navotsotr'izy ireo ireo takalonaina miisa 3 sy ireo omby halatra. Tody sy tafaverina soa aman-tsara tao an-tanàna ireo fokonolona miaraka amin'ireo takalonaina avotra sy ireo omby. Ilay renimpianakaviana dia efa nahazo fitsaboana sahaza azy. Nanohy hatrany ny ara-dia ireo zandary. Raha tsiahivina dia vao notokanana tsy ela ity toby CSAO Malaimbandy ity mba hiadiana amin'ny asan-dahalo sy tsy fandriampahalemana toa izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao sy fanamarihana.
\ J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.