Fandriampahalemana

Fifampitifirana teny Ambodimita Maty rotiky ny balan’ny polisy ny jiolahy 2


  • Zoma 02 Aprily 2021

Nirefodrefotra ny basy teny Ambodimita omaly hariva tokony ho tamin’ny 4ora sy sasany,

 

 

 

 vokatry ny fifampitifirana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny jiolahy nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana. Jiolahy 4 no saika hanakana sy handroba mpandraharaha. Nandeha fiara ny 2 ary nandeha moto kosa ny roa. Efa nanana loharanom-baovao manokana kosa ny mpitandro ny filaminana, ka niditra an-tsehatra teny an-toerana ny avy amin’ny BC4 sy ny SAG, ary niditra an-tsehatra. Raikitra noho izany ny fifandonana satria tsy nanaiky lembenana ireo jiolahy, izay tena hary fitaovana. Nifamaliana ny tifitra mahery vaika, ary feno diam-balan'ireo jiolahy hatramin’ny fiaran’ny polisy, saingy tsy nisy ny naratra na lavo ny avy amin’ny mpitandro filaminana. Rotiky ny bala kosa ny 2 tamin’ireo olon-dratsy, azo sambo-belona ny iray, ary tafaporitsaka ny iray na voalaza aza fa efa naratran’ny bala. Tavela niaraka tamin’ireo jiolahy lavo ny basy PA nampiasaina. Teo anelanelan’Ambodimita sy Ambodihady amin’iny lalan’ny Digy iny moa no tena nisehoan’ity fifandonana mahery vaika ity, izay niteraka fitohanana lavareny ho an’ny fifamoivoizana satria teo amin’ny arabe mihitsy no lavo ireo olon-dratsy. Tsy fantatra mazava kosa hatreto ny momba ilay mpandraharaha voalaza fa saika horobain’ireto olon-dratsy niaraka tamina basy mahery vaika ireto.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT