Fandriampahalemana

Fibaikoana ny zandarimaria Miditra amina kihon-dàlana vaovao


  • Alakamisy 19 Aprily 2018

Miditra amin’ny kihon-dàlana lehibe ny zandarimariam-pirenena amin’izao fotoana izao noho ny fanovana isan-tsokajiny eo amin’ny fibaikoana sy ny fitanana, izay hikendrena ny soa sy ny tsaratsara kokoa hatrany.

 Tao anatin`ny lanonana ara-miaramila no nahatontosana ny famindram-pibaikoana teo anivon`ny zandarimariam-pirenena tetsy amin`ny kianja monisipaly  Mahamasina omaly.  Miisa efatra ireo toerana nasiam-panovana: teo amin`ny Jeneraly Ramiandrisoa Jean de Dieu Daniel sy Jeneraly Andrianjaka Njatoarisoa izay hiandraikitra ny kaomandin`ny zandarimaria vaovao. Ny jeneraly Andriamanana Solofonirina Maherizo no handimby ny Jeneraly Rakotomahanina Florens eo amin`ny kaomandy hibaiko ny sekoly sy ny fampiofanana. Ny Jeneraly Rakotondrazaka Andriatsarafara no kaomandy vaovao hibaiko ny fari-piadidian`ny Zandarimariam-pirenena eto Antananarivo. Nisy ihany koa ny fifamindranam-pibaikoana teo amin`ny vondro-tobim-paritra teo amin`ny Lieutenant-Colonel Randrianarivelo Jean Elysè Annissè izay hisolo toerana an`ny Kolonely Ravoavy Zafisambatra. Tonga nanotrona izany lanonana izany ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, ary nambarany nandritra ny lahateniny ny tokony hiraisan’ny ny foloalindahy rehetra hina, ary nohamafisiny tamin`izany fa ny fanovana toe-tsain`ny tsirairay no hisian`ny fampandrosoana. Tao aorian’ny famindrana ny fibaikoana niampy matso lehibe dia nitohy tetsy Fort Duschene ny lanonana izay nahitana olo manan-kaja    sivily sy   miaramila maro  tonga nanome voninahitra izany famindram-pibaikoana izany.


Marigny A. 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT