Fandriampahalemana

Fiara tratry ny tifitra variraraka Olona 1 maty, 5 naratra mafy


  • Alarobia 08 Aogositra 2018

Olona 1 maty, ary 5 naratra mafy vokatry ny fanafihan-dahalo mpanakan-dalana tamin’iny lalam-pirenena RN1 Bis teo Anakalo lalana mampitohy an'i Tsiroanomandidy amin'i Maintirano.

 

 Omaly maraina tokony ho tamin’ny 8 ora no voatafika ny fiara tsy mataho-dalana iray nitondra mpiasan’ny orinasa mpitrandraka solika Madagascar Oil, izay notsenain’ireo dahalo tamin’ny tifitra variraraka. Basy mahery mihitsy no nampiasaina, ka raha ny diam-bala maromaro niantefa tamin’ny fiara, dia basy “kalachnikov” no nampiasaina, tahaka ireny an’ny mpitandro ny filaminana ireny. Naratra mafy koa ny zandary roa tamin’ireo telo izay niaro ny mpandeha tao anatin’ilay fiara. Tsy nijanona ny mpamily fa nanohy ny diany faran’izay maika raha tsy izany dia matin’ny tifitra teo ireo olona tao anatiny.
Tsy andro tsy alina intsony ity asan-jiolahy ity ary na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra samy mihorohoro. Tsiahivina hatrany fa anisan’ny vaindohan-draharaha sy iraka ampanaovina ny governemanta tarihin’ny praiminisitra Ntsay Christian ny fametrahana fandriampahalemana, saingy mbola lavitry ny kitay aloha ny afo hatreto.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT