Fandriampahalemana

Fiara 4x4 very teny Imerinkasinina Tany Ambohidratrimo no hitan’ny zandary


  • Talata 07 Desambra 2021

Saron'ny zandary avy ao Ambohidratrimo tao Antanjondroa kaominina Iarinarivo, distrika Ambohidratrimo, ny harivan'ny alahady 5 desambra 2021 ilay fiara voatafika sy nalain'ny jiolahy an-keriny teny Imerikasinina Avaradrano

 ny sabotsy atoandro omalin'iny, hoy ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny mpitandro filaminana omaly. Raha tsiahivina dia tonga nitaraina tao amin'ny Tobim-paritry ny zandarimaria Ambohimalaza ny tompon'ny fiara 4x4 iray miloko volom-batolalaka fa nisy nanafika teo amin'ny RN2 pk 11+800, tetezam-by fokontany Ambohitrombihavana, kaominina ambanivohitr’Ambohimangakely ka voambara fa nisy jiolahy efadahy nanambana basy azy teo amin'io toerana voalaza io ary nitarika azy niakatra ny lalana Imerikasinina. Nofatoran'ireo nangalatra fiara tamin'ny tady kiraro ny tanany ary najanon'izy ireo tao anaty kininina dia lasany ilay fiara. Etsy andaniny koa dia maro ireo fianakavian'ny tompon'ny fiara nanao fanairana an-tariby sy tamin'ny tambajotran-tserasera Facebook ka samy nampandre ny InfoCom Seg . Manoloana izany dia nandray andraikitra nanao fikarohana sy nifampita vaovao haingana ireo tobin'ny zandarimaria rehetra manodidina izay nahazo baiko fa tsy maintsy atao ny ahitana io fiara io ao anatin'ny fotoana fohy. Noho ny fifampitam-baovao haingana sy matihanina nisy teo amin'ireo zandary manara-maso ireo lalam-pirenena mivoaka an'Antananarivo, dia fantatra fa efa nandalo teny amin'ny lalan'Ambohidratrimo io fiara io, minitra vitsy taorian'ny naha very azy, araka ny angom-baovao. Niezaka nikaroka ireo zandary teny an-toerana ka sarona tao Antanjondroa ilay fiara tokony tamin'ny 6 hariva ny ampitso. Ireo jiolahy dia efa nandositra ary fantatr'izy ireo fa tsy ho lasa lavitra intsony izy ireo raha mbola mitondra ilay fiara. Araka ny loranom-baovao azo teny an-tsehatra dia efa fantatra ireo andian-jiolahy nahavanon-doza ka efa eo am-pikarohana azy fatratra ny zandarimaria tamin'ny ora nanoratanay. Ny Zandarimariam-pirenena dia manome toky fa tsy maintsy ho tratra ireo nahavanon-doza ary hampiharana lalàna velona, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT