Vola sandoka 20 000 Ar marobe, mitentina 19 800 000 Ar no saika haparitaka lehilahy miisa telo tao an-tampon- tanàn'i Fianarantsoa.
Tsy afaka nanao izany anefa ireto olon-dratsy ireto noho ny angom-baovao azon'ny polisy mahakasika ity tranga ity ary dia nidina ifotony avy hatrany ny polisy ao amin'ny Unité d'Intervention Rapide.Tra-tehaka niaraka tamin'ireo vola sandoka ireo izy telo lahy taorian’izany. Tsy mijanona hatreo anefa ny fanadihadiana hahafantarana ireo mpiray tsikombakomba sy ny fiavian'ireto vola sandoka ireto fa mbola hitohy hatrany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.