Fandriampahalemana

Fenoarivo Atsinanana Polisy telo lahy matin'ny fitsaram-bahoaka


  • Alakamisy 25 Oktobra 2018

Nanatanteraka iraka tany Fenoarivo Atsinanana ireo polisy ara-toekarana na “Police Économique” miasa ao Toamasina no nataon'olona fitsaram-bahoaka rehefa nanao "perquisition" na fisavana, izay tamin'ny fomba ara-dalàna,

 

 

 

 araka ny taratasy avy amin'ny Fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina  nanome alalana azy ireo. Resaka lavanila no nanenjehana azy. Manana galonana “Inspecteur” avokoa izy telo lahy fantatra amin’ny anarana hoe Hajarinofy, Abdy, Brillant, ary nanana ny “badge” maha polisy azy ara-dalàna. Mpandraharaha lavanila iray ao Ambodihazinina ao Fenoarivo Atsinanana hanaovana fanadihadiana no nanirahana azy ireo. Niantso vonjeo ho misy manafika ilay mpandraharaha, ity farany izay vao nisy nanafika tamin'ny sabotsy 20 oktobra teo. Vao naheno ny antso vonjy ny manodidina dia tsy nisy alaharo ny vono sy daroka nahazo azy ireo, ary izao niafara tamin'ny famoizana aina izao. Misy ampahany avy amin’ny Polisin'ny FIP Toamasina tonga ao Fenoarivo Atsinanana noho ity tranga ity, hanampy amin'ny fitandroana filaminana. Misokatra avy hatrany koa ny fanadihadiana noho ny fisiana faty olona, ary andrasana ny tohin’ny raharaha.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT