Fandriampahalemana

Fenoarivo Atsinanana Fiara sprinter 10 no voaroba tao anatin’ny herinandro


  • Talata 05 Jona 2018

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana any amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana. Ireo vahiny tonga mandalo any an-toerana no tena mahita faisana amin’izany, raha ny fanazavan’ireo lasibatra.

Vao tamin’ny herinandro teo, ohatra, dia fiara sprinter miisa folo no nitondra faisana. Hafa dia hafa ny fomba fiadin’ireo mpanao ratsy. Toy ny mampiasa zavatra mantsy izy ireo ka ilay tompona fiara indray no mamoha moramora ny varavarana rehefa tonga izy ireo ary toa zary lasa manonofy tsy mahavita na inona na inona mandrapahalasan’ireo mpanao ratsy. Tovolahy kely iray avy aty an-drenivohitra mpamily sady tompon’ny fiara no lasibatra ny faran’ny herinandro ka lasan’ireo mpanao ratsy hatramin’ny kapa tsara tarehy teny an-tongony. Lasany ihany koa ny radion’ny fiara vaovao, ny panneau solaire nipetaka tamin’ilay sprinter, ny wifi, ny entan’ireo mpianatra rehetra tao anatin’ny fiara ary ny vola rehetra tany amin’ilay tovolahy. Nomarihin’izy ireo fa tovolahy iray sendra tratra alina tokony hatory ao anatin’ity fiara sprinter ity ihany koa no nambanan’ny jiolahy roa tamin’ny antsy  roa teo amin’ny tendany ka tsy afa-nikofoka sady voaendaka.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT