Fandriampahalemana

Fatin’olona nisy dia-nify Mihorohoro ny eny Ivato


  • Alatsinainy 12 Jona 2017

Lehilahy iray hita faty teny Ivato ny alin’ny zoma ary rehefa nozahana ny razana dia nisy loaka toy ny diam-bangy roa izany teo amin’ny tendany.

  Teo amin’ny manodidina ny nahitana ity razana ity dia nahitana diam-biby hafahafa, ka ambaran’ny olona ho misy izany bibiolona izany eny an-toerana. Raha ny fitantaran’ny mponina dia efa matetika no ahitana toe-javatra hafahafa tahaka izao. Tsy fantatra mazava izay tena zava-misy marina ary mampametra-panontaniana hoe inona no antony hisehoan’ny toe-javatra tahaka izao ? Vao manomboka milentika ny masoandro dia efa matahotra ny ankamaroan’ny vahoaka noho ity toe-javatra hafahafa izay mbola sarotra hazavaina ity. Misy ihany ny resaka avoakan’ny olona fa misy hifandraisany amina toerana malaza sy mpandraharaha fanta-daza ilay resaka biby ity, saingy petra-kevitra ihany ny an’ny rehetra ary tsy misy afaka ny handiso na hanamarina ny zava-misy ny rehetra.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT