Marina tokoa fa toy ny mirongatra ny tsy fandriampahalemana any amina distrika sasantsasany ao amin’ny faritr’i Sofia, hoy ny sekretera jeneralin’ny governora, Tolojanahary Maharavo, raha namarana ny iraka nataony teto Antananarivo omaly.
Ny distrikan’i Mampikony, hoy izy, indrindra indrindra. Taloha dia nisy ny atao hoe dinan’I Besaboa tao Sofia. Napetraka io ary tena nandry fahalemana ny fokontany rehetra saingy ny olana dia tsy nahazo fankatoavana na “homologation” io dina io. Rehefa izany dia be dia be ireo gadra noho ilay fampiarana dina. Rehefa tonga izay dia miheritreritra hoe ny fananganana dina ankatoavina no vahaolana ary ny fanavaozana ity dinan’i Besaboa ity ankehitriny no ezahanay apetraka ary efa ho vita izany. Tiako ho fantantrareo, hoy izy, fa tsy ny governora no tena miantsoroka ny fandriampahaleman’ny mponina amin’ny faritra fa ny prefe sy lehiben’ny distrika no misolo tena ny fanjakana. Fitantanam-paritra na “administration regionale” no ataony fa tsy solontenam-panjakana izy. Tsy afaka manao fanagiazana na manao “requisition” ny zandary na dia jeneraly aza ny governoran’ny faritr’i Sofia, hoy izy. Na teo aza izany ny ezaka maro nataony mifandray amin’ny fanjakana foibe toy ny fananganana “poste avancé” efa ho 20 mahery, ny fifampiraharahana avy hatrany amin’ny kaompania sy borigady noho ny serasera amin’ny maha samy zandary dia ny sefo distrika sy prefe no lehiben’ny fampandriana fahalemana. Raha misy, noho izany, ny firongatan’ny tsy fandriampahalemana dia ireo no tomponan’antoka mivantana amin’ny fanomezana baiko ny zandary ka any izao, hoy hatrany izy, no mila vahaolana maika hametrahana ilay dinam-paritra nankatoavina satria amin’izay fotoana izay vao lehiben’ny tompon’antoka ny governora.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.