Fandriampahalemana

Faritra Menabe Olona roa notifirin’ ny dahalo


  • Talata 17 Aogositra 2021

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana any amin’ny Faritra Menabe. Miseho amin’ny endriny maro izany raha araka ny vaovao azo avy any an-toerana.

 Anisan’ireny ny fanafihana etsy sy eroa, ny vono olona, ny fakàna an-keriny, ny fanakanana sy fandrobàna taksibrosy any amin’iny lalam-pirenena faha-35, ny halatr'omby sesilany…. Tato anatin’ny volana vitsivitsy no nampahazo vahana izany raha araka ny fantatra. Olona roa ohatra no voatifitry ny dahalo tany amin’iny faritra iny tato anatin’ny herinandro vitsivitsy izao. Anisan’izany ilay lehilahy iray antsoina hoe : Olivier, 22 taona, notifirin'ny dahalo tao Anjamahity, kaominina ambanivohitra Analamitsivalana, Distrikan’i Mahabo. Toraka izany koa i Pinely, 49 taona, izay voatifitra teo amin'ny tarehiny, tao Nosilava, kaominina sy Distrikan’i Belo-Tsiribihina. Vokatry ny fanafihana avokoa no nahavoa azy mirahalahy farany ireto koa hanaovan’ny mponina antso avo amin’ny Fitondram-panjakana. Manahy mafy ny amin’ny mety hisian’ny olona ambony ao ambadik’izao raharaha izao moa ireo mponina any an-toerana.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT