Fandriampahalemana

Faritra Melaky Omby miisa 3136 no very tao anatin’ny 2 taona


  • Talata 31 Aogositra 2021

Nahatratra 3136 ny isan’ireo omby very tao anatin’ny 2 taona tany amin’ny Faritr’i Melaky. Fantatra izany nandritra ny fandalovan’ny sekreteram-panjakana

 miadidy ny zandarimariam-pirenena ny jeneraly Gellé Serge tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo. Nambarany nandritra izany fa hisy ny ezaka hatao manomboka izao ka anisan’ireny ny ady amin’ny halatr'omby syfamotsiana taratasin'omby halatra. Toraka izany koa fiparitahan'ny basy tsy ara-dalàna.Taorian'ny fikaonan-doha miaraka amin'ireo mpisehatra sivily sy miaramila amin'ny fandriam-pahalemana tao an-toerana dia tapaka fa hamafisina ny fitsirihana sy fanaraha-maso ireo olona rehetra mitazona sy mitondra ary indrindra ny mpivarotra sy mpividy fitaovam-piadiana manerana ny nosy.Isam-bolana dia hatao ny fitsirihana ireo lisitry ny olona nahazo fahazoan-dalana mitazona fitaovam-piadiana eny anivon'ny biraom-piarovana isa-boriborintany. Mikasika ny omby kosa indray dia hamafisina manomboka izao ary hatao isam-bolana ny fisavàna sy fanamarinana ny taratasin'omby rehetra na eo anivon'ny kaominina izany na ny eny am-pahitra na ny eny an-tsena.Hatao mifanindran-dalana amin'izany koa ny fanaraha-maso ireo lisitry ny mpisava sy mpitomboka ireo taratasin'omby, ny lisitr'ireo mpivarotra sy mpividy omby isan-tsena mifanaraka amin'ny lisitry ny ombim-barotra, indrindra ihany koa ny fitsirihana ireo heloka na fahadisoana tsikaritra nefa tsy nasiam-panenjehana. Tanjona ny hamerenana araka ny tokony hoy izy ny fandriampahalemana any amin’ity faritra iray ity.
Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT