Mikaikaika ny tantsaha any amin’ny faritra Itasy noho ny tsy fandriampahalemana, indrindra tamin’ny taona 2018 lasa iny.
Manjaka tanteraka ny asan-dahalo ary mahakivy ny mpamboly sy mpiompy izany. Ankoatra izay, mamotika ny toekaren’ny faritra ihany koa ny fahapotehan’ny lalana amin’izao ary sahirana ny tantsaha mamoaka ny vokatra. Miteraka fidinan’ny vidim-bokatra izany ka miteraka fahasahiranana sy fahantran’ny tantsaha. Manankarena ny faritra Itasy ary tena tokony handroso be amin’ny sehatra fambolena sy fiompiana, hoy i Andry Rakotondravoavy nisolotena ireo tantsaha. Manantena ny fanatanterahana ny vina IEM sy ny velirano nataon’ny filoham-pirenena vaovao ny tantsaha, hoy izy hamahana haingana ireo olana lehibe ireo. Miandrandra ny fampandrosoana eny ifotony mihitsy ihany koa ny vahoaka ka mila tanterahina sy atao mafy ny fitsinjaram-pahefana. Ity farany izay tena ilana vola be tokoa raha tena hirosoana ary mbola olana hatrany ny tetibola mivangongo hatrany any amin’ny minisitera.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.