Fandriampahalemana

Faritra Ihorombe Olana hatrany ny tsy fandriampahalemana


  • Alatsinainy 04 Febroary 2019

Manakoako ny tsy fandriampahalemana any Betroka noho ny afitsoky ny malaso. Tsy tokony hiandry ela intsony ny filoham-pirenena satria fantany ny toe-java-misy any, hoy ny Lehiben’ny faritra Ihorombe, Mosa Fernand.

 

 

 Ankoatra izay, mila mijery ny tanora satria maro an’isa izy ireo any amin’ny faritra, eny eto amin’ny firenena mihitsy. Mila mandry fahalemana ihany koa i Ihorombe satria saika mandalo any avokoa ny avy any Atsimo andrefana, ny avy any Anosy, hatrany amin’ny faritra Atsimo Atsinanana noho izy  malalaka. Nanambara ihany koa ity lehiben’ny faritra ity fa miaraka ny fampandrosoana fa tsy vitan’olon-drery ary miainga hatrany amin’ny kaominina sy ny  faritra izany. Tsy maintsy miainga amin’izany ny vina IEM. Mila fehezina sy hain’ny Malagasy io vina io ahafahana manara-maso. Nanamafy ihany koa izy ny amin’ny olana amin’ny fibaikoana izay lavitra loatra ny ankamaroan’ny any amin’ny faritra tahaka ny any Betroka ka tokony hisy hatrany ny rantsa-mangaikan’ny zandarimariam-pirenena. Tombony be ara-toekarenaa any amin’ny faritra Ihorombe ny fambolena, ny harena ankibon’ny tany ary ny fizahantany saingy zava-poana sy tsy mitondra inona rehefa tsy milamina ny tany.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT