Lasa faritra mena tanteraka ny eny Avaradrano amin’izao fotoana ary tena mahavelon-taraina ny tantsaha.
Ankoatra ny hala-botry sy ny vaky trano efa mahazatra dia ataon’ny jiolahy fanariana fatin’olona avy novonoiny tany ho any ny eny avaradrano, hoy Ramatoa Mercia Raolijon kandida depiote. Matetika ireny saofera mitondra fiara ampanofaina ireny no lasibatry ny jiolahy eny. Nanamafy ny tsy maintsy hamahana hatrany ny olana misy eny amin’ny tontolo ambanivohitra Ramatoa Mercia Raolijon satria very fanahy mbola velona ny mponina izay tantsaha no maro an’isa. Manoloana ny tsy fandriampahalemana manjaka eny amin’ny tontolo ambanivohitra dia nanamafy ny tenany fa ilaina ny fanolorana ny volavolan-dalàna mba hiteraka fampitomboana ny mpitandro ny filaminana miasa eny. Tena vitsy an’isa mantsy izy ireo any amin’ny tontolo ambanivohitra. Misy akony ratsy amin’ny famokarana ataon’ny tantsaha ny tsy fandriampahalemana ka mila andraisana andraikitra haingana
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.