Fandriampahalemana

Faritra atsimon’ny nosy Mahery vaika ny 8 amin’ireo basy 32 tratra


  • Alatsinainy 25 Febroary 2019

Araka ny tatitra ny volana febroary 2019 nentin’ny zandarimariam-pirenena tamin’ny mpanao gazety, nahatratra 32 ny fitaovam-piadiana tra-tehaka, tamin’ny faritra atsimo afovoan’ny Nosy ka ny valo mahery vaika,

 

 

 

 izay fampiasa amin’ny tany miady natokana hiatrehana ny fahavalom-pirenena. Tato anatin’ny iray volana, nahatratra 32 ny basy saron’ny zandary tamin’ireo dahalo. Ny valo tamin’ireo basy “armes de guerre”, tahaka ny kalachnikov, hoy ny lehiben’ny komandin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly Njatoarisoa Andrianjanaka, ny alakamisy teo. Mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao ny loharanon’ireny fitaovam-piadiana ireny.

Betsaka ireo tratra sy ireo bala nanaovana fanadihadiana fa tsy mbola nisy vaovao ofisialy avy amin’ireo tompon’andraikitra nanambara ny fiaviany. Resaka politika fotsiny hatreto no loharanom-baovao nivoaka nanilihana fa basy voaroba nandritra ny krizy nitranga teto amin’ny firenena ny ankamaroan’izy ireny. Araka ny fampitam-baovao hatrany, tao Isandra sy Ikalamavony no nahatrarana ireo fitaovam-piadiana mahery vaika ireo. Efa nihanaka nianavaratra eto amin’ny Nosy ireo fitaovam-piadiana mahery vaika raha tany amin’ny faritra atsimon’ny Nosy, am-polony taona lasa izay. Nampita vaovao hatrany ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena fa ny 14 amin’ireo fitaovam-piadiana 32 ireo dia basy vita gasy. Efa misy ozinina fanamboarana basy mihitsy eto Madagasikara raha ny fijery ny basy vita eto an-toerana. Mbola tadiavina io toerana io, hoy ny Jeneraly Njatoarisoa Andrianjanaka. Mbola ezak’ireo mpitandro ny filaminana ny fanadihadiana lalina mikasika ny toerana iavian’ireo basy vita gasy maro tratra.

 

Haja Nirina

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT