Tanora fito mianadahy, 21 hatramin`ny 25 taona no voasambotry ny polisy misahana ny ady heloka bevava noho ilay raharaha fangalarana fiara Starex sy famonoana ny mpamily azy.
Raha ny vaovao izay navoakan`ny “brigade criminele” dia tany amin`ny distrikan`I Ankazobe no nanaovan`ny jiolahy ny asa ratsiny tamin`izany. Ny 07 janoary lasa teo no naharay fitoriana ny teo anivon`ny polisy misahana ny heloka bevava fa tsy hita ilay fiara sy ny mpamily azy. Natao avy hatrany ny fanadihadiana ka hita tamin`ny fanondroana toerana tamin`ny finday nampiasain`ny mpamily na tompon`ny fiara any amin`ny distrikan`i Ankazobe no misy ity finday ity. Nisy fiaraha-miasa teo amin`ny polisy nanao famotorana sy ny zandary any Ankazobe ary ireo fokonolona no nahazoana ireo mpanao ratsy ireo. Nandritra ny fidinana ifotony dia nisy vehivavy iray voasambotra, sakaizan`ilay anankiray nahavanon-doza, ka nanomboka teo ny famotorana, hoy ny Commissaire principal Cerali Hercule. Hita ny fiara izay mbola nahitàna rà ka nipetraka avy hatrany ny paikady dia voasambotra ny anakiray tamin`ireo namono ka nitohy ny fanadihadiana ary voasambotra ny ambiny rehetra. Raha ny fanazavana azo teo anivon`ny mpitandro ny filaminana, tamin`ny alalan`ny tambajotran-tserasera no nanaovan`ireo jiolahy fandrika an`ity tompona fiara ity ka teny amin`ny CDA Andohatapenaka no toerana nifanaovana fotoana. Adiny iray taorian`ny nialany teo dia nisy iny famonoana iny. Miantso ny rehetra mba ho mailo amin`ny fampiasana fesiboky ny mpitandro ny filaminana satria misy mampiasa izany amin`ny fanaovana asa ratsy amin`izao.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.