Fandriampahalemana

Fanendahana zokiolona Tratran’ny polisy i Mahagaga


  • Alatsinainy 25 Janoary 2021

Mpanendaka efa mpamerin-keloka iray, fantatra amin’ny anarana hoe :

 

 

 

Mahagaga no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP1 Analakely ny zoma 22 janoary teo rehefa avy nanendaka zokiolona mivady. Lehilahy 23 taona izy io, raha tsiahivina efa fanta-daza loatra amin’ny resaka endaka sy sinto-mahery eny amin’iny faritr’Analakely sy ny manodidina iny. Tokony ho tamin’ny 02 ora folakandro izy no nanendaka mpivady teny Ambohijatovo tamin’io andro nahatrarana azy io. Nosintoniny tamin’izany ny vangovango teny an-tanan’ilay ramatoa lehibe efa 67 taona. Niaro ilay Rangahy vadiny, izay efa 73 taona nandritra izany ka mba nirotsaka an-tsehatra nitazona an’i Mahagaga saingy noho ny hery tsy mitovy dia tafaporitsaka ity olon-dratsy ity. Niantso vonjy izy mivady ka Polisy avy ao amin’ny CSP1 niasa teo amin’ny manodidina teo no nanenjika sy nisambotra an’ilay olon-dratsy hatreny Andohan’Analakely. Natolotra ny fampanoavama tamin’ny sabotsy teo moa i Mahagaga ary efa naiditra am-ponja vonjimaika.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT