Fandriampahalemana

Fanendahana teny amin’ny ZZ mobilier Lehilahy roa no voasambotry ny polisy CSP Itaosy


  • Alarobia 24 Novambra 2021

Lehilahy miisa 02 no nosamborin’ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP Itaosy ny alakamisy 18 novambra teo ary natolotra ny CSP7 67ha mba hanaovana fanadihadiana mahakasika fanendahana izay niseho teny amin’ny

 manodidina ny ZZ Mobilier 67ha ny 12 novambra 2021 teo. Olona miisa 03 izay voaendaka teo ampitan’ny ZZ Mobilier tetsy 67ha no tonga nametraka fitoriana teo anivon’ny CSP7 ny sabotsy 13 novambra teo raha tsiahivina. Tamin’ny fanadihadiana natao azy ireo dia fantatra fa avy namangy fianakaviana izy ireo tamin’io fotoana io ka sendra tratra alina. Tokony ho tamin’ny 12 ora alina izy ireo no nivoaka ny fiara izay nentiny ary raha hiditra ny vavahadiny izy ireo no nosakanan’ireo andian’olona nitondra basy sy sabatra. Nalain’ireto olon-dratsy avokoa moa ny vola sy ny finday teny amin’izy ireo. Mitentina 1.000.000 Ar ny vidin’entana very tamin’io fotoana io. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny Polisy ka tamin’izany no nahafantarana fa efa voasambotra eny amin’ny CSP Itaosy ny iray amin’ireo jiolahy ny alakamisy 18 novambra teo noho ny resaka halatra hatrany. Noho izany dia nanaovana fanadihadiana mahakasika ity raharaha fanendahana ity ihany koa izy. Ireo voaendaka ihany koa dia nanizingizina fa anisan’ireo nanambana sabatra azy ireo io lehilahy voasambotra io. Manoloana izany dia natao ny fisavana ny tranon’ity lehilahy 23 taona ity, ka tratra tao tokoa ilay sabatra lehibe fampiasany amin’ny fanendahana. Tamin’ny fanadihadiana natao azy dia nanondro ny namany ihany koa ity olon-dratsy ity ka ny 01 tamin’ireo ihany no voasambotra. Natolotra ny fampanoavana ny alatsinainy 22 novambra 2021 teo ireto 02 lahy ireto ary naiditra am-ponja vonjimaika taorian’izany.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT