Olona miisa 08 no voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP1 Analakely nandritra ny hetsika manokana natao hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana eny amin’ny faritra Analakely sy ny manodidina iny ny fiandohan’ny volana mey teo.
Fanendahana sy fividianana entana halatra ary fivarotana rongony no antony nisamborana azy ireo izay misy vehivavy. Manoloana ny fitarainana mifanesy azo avy amin’ireo olona mandeha maraina sy ireo mponina eny amin’ny faritra Antaninarenina sy ny manodidina izay voaendaka sy tratry ny sinto-mahery ataona andian’olona dia nanao ny fanadihadiana manokana ny polisy. Nahitam-bokany izany ny sabotsy faha 09 may teo. Tokony ho tamin’ny 05 ora maraina mantsy no nifanehatra tamin’ny polisy ireo olon-dratsy raha mbola teo am-panendahana olona mpihazakazaka vao maraina ireo tsy mataho-tody. Nosamborina avy hatrany izy ireo ka ny 01 no tratra raha tafaporitsaka kosa ny 02 hafa. Nandritra ny fisavàna azy ireo dia nahitana zava-maranitra tany aminy. Niaiky ity voasambotra ity fa ireo mpanao fanatanjahantena vao maraina no tena hendahiny sy ambanany amin’ny basy na antsy rehefa manendaka izy ireo. Izy ihany koa no nanondro ny toerana misy ny namany iray teo Ambodirano Ampefiloha. Voasambotra ihany koa ity farany ny alatsinainy 11 mey teo. Nandritra ny fanadihadiana azy dia nanondro ny mpividy ny entana halatra ihany koa ity lehilahy ity ka dia olona iray no voasambotra teo « La reunion kely ». Niaiky ihany koa ireo voasambotra ireo fa mifoka rongony izy ireo alohan’ny hanaovany ny asa ratsiny ka eny Anosibe no mpamatsy azy ireo. Nidina tao amin’ilay toerana avy hatrany ny polisy ka olona 5 no voasambotra tao niaraka tamina rongony tamina fonosana maromaro. Ny 2 tamin’ireo voasambotra dia mpianatra mbola tsy ampy taona tonga hividy rongony. Mbola karohina kosa ilay mpanendaka mitondra basy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.