Fandriampahalemana

Fanendahana finday sy firavaka Lehilahy roa voasambotra tao anaty taksibe


  • Alarobia 29 Desambra 2021

Lehilahy miisa 02 no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP7 teny amin’ny faritra 67ha iny ny alatsinainy 27 desambra rehefa avy nangalatra.

 Raha tsaihivina kely ny tantara dia tokony ho tamin’ny 10 ora maraina no voasambotra tao anaty fiara fitanteram-bahoaka ny lehilahy iray, 21 taona rehefa avy nangalatra ny findain’ny mpamily. Nony tsikaritr’ity farany ny fahaverezan’ny findainy dia nikoropaka nikaroka izany izy. Mpandeha tao anatin’ilay fiara ihany anefa no nahatsikaritra ny fomba nisokiran’ilay olon-dratsy ilay finday ka dia tra-tehaka teo ilay tovolahy mpangalatra. Mbola tratra teny aminy ilay finday ary efa novonoiny. Tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro kosa no voasambotra teo amin’ny fiantsonan’ny zotra 119 eo 67ha ny tovolahy iray rehefa avy nisintona firavaka teny an-tanana vehivavy iray tsy lavitra teo ary lasa nandositra. Tsikaritr’ilay vehivavy nihaodihaody teo amin’ny fihantsonan’ny zotra 119 indray anefa izy fotoana fohy taorian’ny nanaovany ny asa ratsiny ka dia niantso Polisy avy hatrany ity niharam-boina ity. Voasambotra ilay olon-dratsy saingy efa tsy teny aminy intsony ilay firavaka. Natolotra ny fampanoavana ny talata 28 desambra izy 02 lahy ireo rehefa avy nanaovana fanadihadiana teo anivon’ny CSP7 etsy 67ha ary naiditra am-ponja vonjimaika.
Nangonin’i Pati
Legende : Izy roalahy mpangalatra tratra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT