Tsy atoandro tsy alina fa tena mangina tanteraka ny tanana eto amintsika, indrindra fa manomboka amin’ny 12 ora atoandro iny, fotoana voafetra tsy hahafahana mivoaka ny trano iny.
Manararaotra izany ireo mpanao ratsy ka lehilahy roa no tratra tetsy Antohomadinika akaikin'ny fakana fiara hiombonana ho any Mahitsy, ny alahadin’ny paska teo tokony ho tamin'ny 10 ora sy sasany alina. Ny polisy nanao fisafoana indray no nifanehitra tamin’izy ireo ka na vaky nandositra aza izy roalahy dia tsy afaka fa voasambotra teny akaiky teny ihany. Mbola nahitana antsy lava fampiasa amin'ny fanendahana moa teny amin'ireto farany nandritra izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.