FANDROBANA TOERAM-PIVAROTANA

Vola 3 hetsy Ar monja no namoizany ny ainy


  • Alarobia 27 Septambra 2023

Jiolahy miisa 4 nitondra basy vita tanana sy fitaovam-piadiana tsotra no nandroba toeram-pivarotana iray tao amin’ny

Fokontanin’i Tsarazaza Kaominina Analavory, Distrikan’i Miarinarivo, afak’omaly. Lasan'izy ireo tamin’izany ny vola 3 hetsy Ar. Raikitra ny fanarahan-dia nataon’ny zandary ka avy hatrany dia nihodina tany amin'ny fokontanin’ Amparaky sy Ambohitratoandro ireo zandary ary nihazo ny kizo ao Ankininiabo. Dahalo iray no tsikaritra tao anaty kirihitra ka rehefa nasaina nivoaka izy dia tsy nety no sady nanambana basy. Voatery nampiasa basy ireo zandary vokatr’izany ka nahavoa azy. Namoy ny ainy noho ny fahaverezan-drà ity jiolahy ity raha tavela teo ihany koa ny basy nampiasainy.Ankoatra izay dia fokonolona miisa 3 koa no naratra nandritra ny fifandonana. Afa-nandositra avokoa moa ireo jiolahy miisa 3 ambiny izay mbola hifampitadiavana hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay ranamana matin’ny 3 hetsy Ar saingy nafoiny hatramin’ny ainy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT