Fandriampahalemana

Fandrobana mpamongady teny Alasora Saika hotaperin’izy mivady ny ain’ilay ramatoa


  • Alakamisy 09 Septambra 2021

Mpivady roa tompon’antoka tamin’ny vono olona tetsy Alasora no saron’ny polisin’ny CSP eny an-toerana. Tompona mpamongady lehibe iray eny an-toerana.

 “Noho ny tsy fahazakan'ny maso nahita ireo volabe tao amin'ilay mpamongady dia nitsiry ny hevitr'izy mivady ny hamono ilay mpamongady tamin'ny antsy. Teo am-panaovana ilay asa ratsy no nisy nahatsikaritra izy ireo ka niantso Polisy haingana. Fotoana fohy dia tonga ny Polisy ary Ramatoa efa mihosin-dra sy maratra mafy no hita tao”, hoy ny tatitry ny polisim-pirenena. Nentina haingana nihazo ny hopitaly ilay Ramatoa ary nijanona naharitra tao amin'ny famelon'aina ka avotra ihany ny ainy. Raha tara kely ny fahatogavan'ny polisy dia tapitr'izy mivady ny ain'ilay Ramatoa, raha ny fanazavana. Efa mpaka entana tao amin'ilay Ramatoa izy mivady ireto izao nahavita teti-dratsy izao. Rehefa natolotra ny fitsarana izy ireo dia nalefa any Tsiafahy ilay Rangahy raha any Antanimora kosa ilay ramatoa, hoy ny tatitry ny manam-pahefana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT