Fandriampahalemana

Fandrobana cash point Telo lahy tratra teny 67 ha sy Ampitatafika


  • Alarobia 07 Aprily 2021

Lehilahy miisa 03 no saron’ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisaria CSP7 67ha ny 02 Aprily lasa teo teny

 

 

 

 amin’ny 67ha atsimo sy Ampitatafika rehefa nandroba « cash point». Ny andron’ny 02 aprily raha tsiahivina dia nahazo antso avy amin’ny mpanampiny ny tompona « cash point » iray eny 67ha atsimo ary nilaza izy tamin’izay fa nisy nanafika ka lasa tamin’izany ny vola mitentina 6.200.000Ar mahery kely miaraka amin’ny finday nampiasainy. Nanamafy ihany koa izy fa naratra mafy ny tarehiny. Rehefa nahare izany ny tompon’ilay «cash point » dia napandre ny Polisy avy hatrany. Nidina teny an-toerana ireto farany nijery ny zava-nisy ary fantatra fa tsy nisy fanafihana nitranga fa karazana sarin’ady no natao. Fantatra tamin’izany fa ilay mpanampy izay nampiasaina tao amin’ilay « cash point » ihany no nangalatra ny vola izay nolazaina fa nisy nandroba. Nentina teny amin’ny biraon’ny Polisy 67 ha ilay tovolahy niandraikitra ny « cash point ». Nosamborina teny Ampitatafika avy hatrany kosa ireo roalahy hafa nametrahany ilay vola sy finday tamin’io andro io ihany. Mbola hita tao amin’ny trano fonenan’izy roalahy ireto moa ny sakaosy fampiasan’ilay tompona « cash point » niaraka tamin’ireo finday. Nahatrarana vola 4.200.000Ar teny amin’izy ireo izay efa tafaverina tamin’ny tompony. 22, 24 ary 25 ny salan-taonan’izy ireo. Natolotra ny fampanoavana omaly izy telolahy ary naiditra am-ponja vonjimaika.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT