Fandriampahalemana

Fandrobana 99 tapitrisa Ar Olona 4 voasambotra tany Fenerive Est


  • Zoma 15 Mey 2020

Olona miisa 04 ahitana lehilahy 02 sy vehivavy 02 no voasambotry ny polisy miasa ao Analanjirofo izay isan'ny nandray anjara tamin'ny fanafihana mitam-piadiana niseho tao amin'ny fokontany Ambodihazinina kaominina

 

 

Ambatoharanana Distrikan’i Fenerive-Est ny 05 Mey nifoha 06 Mey lasa teo.Mpandraharaha ara-toekarena iray raha tsiahivina no notafihana jiolahy miisa 05. Ireto farany izay nitondra basy poleta iray sy basy vita gasy iray. Lasan’izy ireo tamin'izany ny vola mitentina 99 000 000 Ar. Nentin’ireo jiolahy tamin'izany ihany koa ny zazavavy kely 8 taona zanak'ilay mpandraharaha saingy navotsotr'ireo jiolahy rehefa tafatsoaka izy ireo. Vokatry ny firaisan-kinan’ny fokonolona, dia voasambotra ny alin’io 05 mey io ihany ny iray tamin'ireo jiolahy ireo. Ity farany izay voalaza fa atidoha niketrika izao asa ratsy izao, araka ny fanadihadihana, dia fantatra fa rahalahy am-panambadian’ilay olona voatafika ary samy mponina Ambodihazinina ihany ry zareo. Ny fikaroham-baobao hatrany no nahalalana fa nafarana manokana avy tany Toamasina ireo olona miisa 04 nanao ny fanafihana ireo. Voasambotra ny 13 mey teo izy ireo rehefa nokarohin'ny polisy andro vitsivitsy izay. Mbola misy olona hafa ihany koa mbola karohina izay isan'ny nandray anjara tamin'ny fanafihana ary nitazona ny lela-vola izay nangalarin'izy ireo miampy ny basy iray nentina nanao ny fanafihana. Miisa 05 ireo olona mbola tadiavina. Natolotra ny fitsarana omaly alakamisy moa izy ireo ary nampidirina am-ponja vonjimaika.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT