Hotontosaina eny amin’ny CCI Ivato anio talata 12 septambra manomboka amin’ny 4 ora tolakandro ny fanolorana drafitra fanatsarana ny tontolon’ny fandriampahalemana PN-RSS (Plan National de la Réforme du Secteur de la Sécurité) eto Madagasikara.
Novolavolaina tao anatin’ny telo taona izy io, ary niarahana tamin’ny manampahaizana avy any ivelany toy ny avy amin’ny Vondrona Afrikanina, SADC, PNUD … . Firenena Afrikanina maro no efa mampihatra azy, raha ny fanazavan’ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier. Hatolotra an’ny filoham-pirenena ny antontan-kevitra, ary hanomboka avy hatrany ny fampiharana io PN-RSS io eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Vaindohan-draharaha ny fanamafisana ny fandriampahalemana, ary fomba fiasa vaovao, antontan-kevitra vaovao no hampanantenaina. Raha ny fanehoan-kevitry ny praiminisitra moa dia rafitra tsy mifanaraka amin’ny toetr’andro fa efa tamin’ny andron’ny fanjanahantany no misy amin’izao. Tafiditra ao anatin’ny PN-RSS ny fampiharana ny dina, ary tsy tafiditra ao anatin’ny fifaninanana amin’ny fitsarana fa mifameno ireo. Hisy ny lalàna mety hiova fa misy ihany koa ny lalàna hoforonina hifandraika amin’io PN-RSS io, hoy hatrany ny praiminisitra. Raha ny resaka ambony latabatra sy ny fampanantenana momba ny fandriampahalemana aloha, dia efa maro ihany izay ary vao tsy ela akory ny praiminisitra no nilaza fa roa na telo volana dia hisy ny vokatra azo tsapain-tanana. Asa fa tsy kabary lava no andrasana, ka na matihanina tanteraka aza ny drafitra an-taratasy, tsy hisy fandriampahalemana ho vanona, raha tsy afaka ny hisitraka ny haren’ny taniny ny vahoaka isaky ny faritra, fa tompony mangataka atiny. Tsy hisy zava-banona raha mbola manjaka ny kolikoly, toy ny fahitana olon-dratsy efa naiditra am-ponja izao, kanefa andro na volana vitsy dia hita miriaria eny anivon’ny fiarahamonina mamerin-keloka indray fa tsara mpiaro ! Ny fanjakana no ohatra halain-tahaka, ka izy ireo aloha no mila miova sy manaporofo fa tena miova. Anisan’ny mety ho fototry ny asan-jiolahy ny tsy fandraisana ireo nahavita fanompoam-pirenena ho miaramila raikitra, kanefa mahay mikirakira fitaovam-piadiana na koa ny fandroahana mpitandro ny filaminana nandika lalàna, izay tokony hitadiavam-bahaolana hafa. Raha misy ny politika mazava hampanana asa ny tanora, dia hihena ho azy ny tsy fandriampahalemana, saingy mbola ho ela angamba… raha tsy hoe : hanao fahagagana !
Toky R
Tabera Randriamanantsoa, minisitry ny Asam-panjakana teo aloha : “Raha mbola kamboty toy io ny minisiteran’ny Ati-tany, dia nofinofy izany fandriampahalemana eto izany. Raha mbola hisaratsaraka samy hanana ministera tahaka ny misy ankehitriny ny zandary sy polisy dia tsy hanana olona hampiasaina ny Ati-tany, Faritra, Distrika ary tsy hisy fandriampahalemana izany”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.