Fandriampahalemana

Fanavotana vehivavy nisy nanendaka Nirefotra ny basy teny Ambodin’Isotry


  • Alatsinainy 25 Aprily 2022

Nahenoana basy nipoaka teny amin'iny faritra Ambodin'Isotry iny sabotsy hariva teo tokony ho tamin'ny 8 ora sy 15mn hariva.

Vehivavy iray mantsy no niharan'ny asa ratsin'ireo jiolahy ka niantso vonjy mafy.Polisy iray nandalo teny an-toerana naheno ilay antso no namonjy ilay vehivavy niharam-boina. Vokany, voatery nanapoaka basy ilay polisy raha vao nahita ireo jiolahy niarovana ny ain' ilay tovovavy. Lasa nandositra moa ireo olon-dratsy ary eo am-pitadiavana azy ireo ny Polisy hatramin’ny fotoana nanoratanay omaly hariva. Ilay tovovavy kosa avotra soa aman-tsara ary tsy misy atahorana ny ainy. Raha araka ny fantatra moa dia saika voaolana ihany koa ity tovovavy ity ankoatra ny fanendahana nihatra taminy. Tsy mety intsony araka izany ny fandehanana irery amin’ny andro alina, indrindra raha vehivavy tokana tahaka izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Nobatain’ny polisy tahaka izao ilay vehivavy
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT