Fandriampahalemana

Fanavotana takalon’aina tany Tsaratanana Nianjera ny helikoptera


  • Talata 29 Janoary 2019

Nitrangana toe-javatra nampalahelo omaly alatsinainy 28 janoary tokony ho tamin’ny 10 ora maraina tany Anadabo, kaominina ambanivohitra Isinko, distrikan’i Tsaratanana (eo anelanelan’i Tsaratanàna sy Andriamena).

 

 

 

 Nianjera  tany an-toerana mantsy ilay helikoptera nitondra ireo delegasiona nahitana ny tafika hanavotra ilay  dokotera  nalain’ny dahalo an-keriny tany Manakana Tsaratanana ny herinandro lasa teo sady hanentana ireo mponina mikasika ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana.  Raha araka ny fanazavan’ny  sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ny jeneraly Richard Ravalomanana dia naratra ny mpanamory ilay helikoptera sy ny namany avy amin’ny BANI. Niisa dimy izy ireo no tao anatiny. Anisan’izany ny lehiben’ny faritra Betsiboka sy ny kaomandan’ny groupement any amin’iny faritra iny niampy ny kaompanian’ny zandarimariam-pirenena avy ao Tsaratanana. Antso an-tariby nifanaovan’ity tompon’andraikitra farany tamin’ny zanany moa no nahazoana ny vaovao farany  dia tsy nisy tohiny intsony, hatramin’ny ora nanoratanay. Fantatra fa efa nandefa  helikoptera iray vaovao hafa indray ny fitondram-panjakana hahafahana manavotra azy ireo. Tsiahivina fa vola 100 tapitrisa Ar no notakian’ireo jiolahy tamin’ny fianakavian’ity mpitsabo nisy naka an-keriny ity  hamoahana azy. Ny alarobia teo no nifandray farany tamin’ny fianakaviany ny lehilahy ary nilaza fa marary mafy ary tokony hihinana tsy tapaka ilay fanafody hitsaboany tena, noho izy manana aretina mitaiza.  Poa-basy in-telo nisesy moa  no nidiran’ireo jiolahy tao an-tanàna raha tsiahivina. Zaza miisa telo tsy manan-tsiny no nentiny nanaraka ity dokotera ity izay noheverin’izy fa zanany avokoa. Rehefa nanontaniana anefa ireto farany dia samy nilaza fa tsy misy zanak’ilay dokotera ka samy navotsony teny an-dalana avokoa.  Mirary fahasitranana haingana ho an’ireo naratra ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena sady mankahery ny fianakavian’ilay nisy naka an-keriny ihany koa.

 

Pati

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT