Fandriampahalemana

Fanaraha-maso ny fonja Taraiky ny fampitam-baovao


  • Sabotsy 11 Novambra 2017

Taorian’ny fahavakisan’ny fonja tao Ambato izay nahatafaporitsaka voafonja miisa 11 sy ny fonjan’i Tsiafahy, nahatafaporitsaka voafonja miisa 5 ary 1 tao Ankazobe dia mbola 2 tamin’ireto 16 tafatsoaka ireto ihany aloha izany hatreto no efa voasambotra,

  18 ora taorian’ny fahavakisan’ny fonja tao Ambato, raha ny fanazavana voaray avy eo anivon’ny seraseran’ny zandarimaria. Raha ny nambaran’ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny zandary hatrany dia tsy misy ny rafitra manokana natao hitady ireo gadra nandositra fa raha mandre fahavakisana dia kotabaisina hanao ny fanarahan-dia avokoa na dia ireo zandary mbola eo am-pialantsasatra aza ary miasa 24 ora manao ny fikarohana ny rehetra. Ny zava-nisy tato ho ato anefa dia saika taraiky hatrany ny fampitam-baovao avy amin’ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny fandraharahana ny fonja ka antony tsy nahatrarana ireo gadra 14 hafa tafatsoaka hatramin’izao.


J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT