Fandriampahalemana

Fanafihana teny Mandrosoa Ivato Maty voatifitra teo amin’ny tratrany ilay Japoney


  • Alarobia 14 Aprily 2021

Nitrangana fanafihana mahery vaika teny Mandrosoa Ivato omaly maraina tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany.

 

 

 

Jiolahy enin-dahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no tonga nanafika tokantrano iray izay nihafara tamina famoizana ain’olona iray. Efa tafiditra tao an-trano izy ireo vao henon’ireo mpivady tao anatiny, raha ny fanazavan’ilay renim-pianakaviana. Nirotsaka an-tsehatra niaro tena ilay tera-tany Japoney vadiny nandritra izany saingy notifirin’izy ireo jiolahy avy hatrany. Voa teo amin’ny tratrany ity farany ka lavo teo noho eo ihany. Lasan’ireo jiolahy kosa ny vola mitentina 3 tapitrisa Ariary tao anaty valizy niaraka tamin’ny amin’ny solosaina fitondra mandehandeha hoy ny vadiny. Nentina teny amin’ny hopitaly HJRA nanaovana fitsirihana moa ny razana taorian’izany. Tsiahivina fa efa 51 taona ity Raim-pianakaviana teratany Japoney maty notifirin’ny jiolahy ity. Mbola tsy nisy hita kosa ireo nahavanon-doza hatramin’ny fotoana nanoratanay.

Pati

 

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT