Fandriampahalemana

Fanafihana teny Avarabohitra Tratra teny amin’ny “digue” ireo andian-jiolahy


  • Sabotsy 23 Septambra 2017

Horonantsary hafa indray no tazana teny amin’ny “route digue” omaly zoma. Tranga mampiseho hatrany ny firongatry ny tsy fandriampahalemana eto an-drenivohitra sy ny manodidina.

 

Araka ny fampitam-baovao voaray, nahazo loharanom-baovao fanafihana toeram-pivarotana iray teny Avarabohitra Itaosy ny teo anivon’ny UIR omaly maraina. Voatondro hiaingan’ireo andian-jiolahy tamin’izany ny teny ampitan’ny kianja Makis Andohatapenaka nanodidina ny tamin’ny 11 ora antoandro. Nametrapetraka ny vela-pandrika avy hatrany teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana hiatrehana azy ireo. Tonga tsikelikely teo amin’ny fotoana nifanomezana tokoa ireto olon-dratsy miisa telo. Niditra an-tsehatra avy hatrany moa ny polisim-pirenena avy amin’ny UIR ka tra-tehaka ny  jiolahy 2 niaraka tamin’ny basy PA vita gasy sy famaky. Tafaporitsaka nitsoaka tao anatin’ny ranon’Ikopa kosa ilay iray farany rehefa niezaka nanenjika sy nanaradia azy ny polisin’ny UIR. Mbola tazana ho feno polisy mirongo basy ihany koa ny teny amin’ny digue sy ny fasan’ny karana omaly tolakandro. Nisy mihitsy ny fisakanana sy fisavana fiara nataon’izy ireo. Efa natolotra ny sampana misahana ny ady heloka bevava etsy Anosy ihany koa ireo jiolahy mirahalahy sarona tamin’ity fanafihana nandamoka ity, araka ny fanampim-panazavana.

Ramano F. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT