Fandriampahalemana

Fanafihana teny Antsahabe Tratra ilay jiolahy nifampitadiavana


  • Alatsinainy 25 Mey 2020

Lehilahy iray no voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny BC Anosy sakelika faharoa ny alatsinainy 18 mey lasa teo noho ny resaka fanafihana mitam-piadiana.

 

 

 Raha tsiahivina, dia ny 20 martsa teo no nisehoana fanafihana mitam-piadiana teny amin’ny manodidina an’Antsahabe akaikin'ny tonelina Ambanidia ka nisy ny fifampitifirana teo amin’ny polisy sy ireo jiolahy zay nahafatesana Raim-pianakaviana iray. Voasambotra tamin’izany ny iray tamin’ireo jiolahy. Tafaporitsaka kosa ireo namany. Nanohy hatrany ny fikarohana ny polisy ka nandritra ny fanadihadihana natao tamin’ity jiolahy vosambotra ity no nahafantarana ny toerana nisy ny namany. Nisy ny fanarahan-dia sy velam-pandrika nataon’ny polisy ka tra-tehaka ny alatsinainy 18 may 2020 teo amin’ny mpivarotra vy Ambalavao Isotry ity jiolahy ity. Taorian’ny fanadihadihana natao azy dia niaiky ny heloka vitany izy ary natolotra ny fitsarana ny 23 mey 2020 ary naiditra am-ponja.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT