FANAFIHANA TENY ANKADIKELY ILAFY

Jiolahy iray no lavon’ny balan’ny polisy


  • Alarobia 11 Oktobra 2023

Lehilahy iray no lavon 'ny balan ' ny Polisy miasa ao amin ' ny kaomisaria foiben’ Avaradrano teny amin 'ny

faritra Ilafy afak’omaly 09 oktobra tokony ho tamin ' ny 7ora hariva rehefa nanafika niaraka tamin 'ny fampiasana fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy. Loharanom -baovao no nahafantaran'ny mpitandro ny filaminana miasa sy miandraikitra iny faritra Avaradrano iny fa hisy olona hanatanteraka fanafihana eny amin 'ny faritra Antsampandrano Ilafy sy ny manodidina . Nanao ny paik'ady moa izy ireo tamin'ny fametrahana ireo Polisy nanara - maso. Tsikaritr 'ireo jiolahy miisa 03 ny fisian ' ireto farany ka namoaka basy avy hatrany izy ireo no sady nanao tari - dositra nihazo ny Rovan' Ilafy ary nitifitra. Raikitra ny fifandonana ka nandritra izany no nahavoa ny iray tamin 'ireo jiolahy.Nilefa ireo namany raha vao nahita ny fahavoazana. Mbola tra-tehaka teny aminy moa ny basy vita gasy nampiasainy niaraka tamin ' ny antsy maranitra tao am-balahany. Noezahana noentina teny amin ' ny hopitaly ity jiolahy ity saingy namoy ny ainy teny an-dalana noho ny fahaverezan'ny ra be loatra taminy. Pati
Legende : Maromaro ireo jiolahy nahazo tapakila ho any amin’ny varo tsy mifody tato ho ato !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT