Fandriampahalemana

Fanafihana teny Andranonahoatra Itaosy Voatifitra ilay mpanao “versement”


  • Talata 19 Martsa 2019

Manomboka miaina anaty tsy fandriampahalemana tanteraka ny eny Itaosy sy ny manodidina amin’izao. Ankoatra ny hala-botry sy ny vaky trano mantsy dia efa tsy matahotra ny manafika amin’ny andro atoandro intsony ireo jiolahy.

 

 

 

 

Lehilahy iray nikasa hanatitra vola tao amin’ny banky BNI Andranonahoatra omaly maraina tokony ho tamin’ny 09 ora no nisy nitifitra avy hatrany ka voa teo amin’ny sorony. Raha araka ny fanazavan’ireo nanatri-maso  dia efa narahin’ireo olon-dratsy tany amin’ny toerana niaingany  ity lehilahy nikasa hanatitra vola tamin’ny baoritran-tsavony ity.  Ilay iray nitondra basy no nanaraka azy hatreny amin’ny varavaran’ny banky ka nikasin-tanana no sady nitifitra raha niandry tamin’ny môtô teny am-pitan’ny arabe kosa ny sasany. Vao nipoaka anefa ny basy dia nihidy avy hatrany ny varavaran’ny banky ka samy tsy tafiditra tao anatiny ka ilay mpanatitra vola na ilay jiolahy. Norombahin’ity farany avy hatrany araka izany ilay vola ka samy niady mafy teo izy roalahy na dia efa naratra aza ilay tompony. Nisy am-pahany lasan’ilay olon-dratsy vokatr’izany ary tafaporitsaka izy raha tavela kosa ny ambiny. Tsy mbola tratra moa ilay jiolahy, raha ny vaovao farany azo omaly hariva raha efa nalefa notsaboina eny amin’ny hôpitaly HJRA kosa ilay lehilahy voatifitra.Nanana “camera de surveillance” ny mpivarotra iray nanakaiky ity banky nitrangan’ny fanafihana ity ka mety ho hita ao anatin’ny horonantsary ny endrik’ilay jiolahy saika handroba izay tsy nisaron-tava moa. Vokatr’izay, maro tamin’ireo banky teny an-toerana no nanidy trano omaly atoandro ka lasibatra tamin’izany ireo tsy manana karatra fisintonana vola sy ireo saika handrotsa-bola.Teo Ampasika, mbola amin’iny lalana mhazo an’Itaosy iny ihany, jiolahy maro no saika hanafika fa nifanojo tamin’ireo mpitandro filaminana.

Pati sy Haja Nirina

 

 




Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT