Fandriampahalemana

Fanafihana teny Andoharanofotsy Miaro ny namany ny Polisim-pirenena


  • Zoma 08 Martsa 2019

“Lojika be no nisamborana an’ilay polisy. Na izahay polisy aza no teo amin’ny toeran’ny zandary ka nahita olona taorian’ny fifanjevoana manodidina ny toerana nisy ny fanafihana dia izay ihany koa no nataonay.

 

 Ny olana dia ny fivoahan’ny vaovao mialoha ny fahavitan’ny famotorana. Raha tsy mbola vita famotorana ny olona iray dia mbola mipetraka ny fiheverana ny maha tsy manan-tsiny azy”. Io no tafatafa nifanaovan’ny mpiandraikitra ny seraseran’ny polisim-pirenena tamin’ireo mpampahalala vaovao, teo Anosy, omaly. Nisy tamin’ireo haino aman-jery mantsy no nilaza, noho ny loharanom-baovao azon’izy ireo fa voasambotra ny polisy iray, noho ilay fanafihana teo Volotara Andoharanofotsy afak’omaly alina. Fifandrifiana ihany koa ny nahalatsahana basy izay ny mpitandro filaminana ihany no mampiasa ny marika UZI. Nitondra fanazavana ny Kaomisera Patrick Andrianavalona, mpiandraikitra manokana ireo polisy niasa teny amin’iny faritra Tanjombato iny. “Tamin’ny misasakalina ny fanafihana no nitranga. Io polisinay io anefa, araka ny sonia nataony tao amin’ny kahie misy ny tatitry ny asa, tamin’ny 2ora mahery vao niala tao am-piasana.  Naterina fiara izy fa noho ilay lalana sarotra sy tsy azon’ny fiara aleha dia nandeha an-tongotra izy. Nahita fiara nirehitra jiro be anefa izy ka niala ny sisin-dalana fa natahotra sao olon-dratsy ary nosamborin’ny zandary. Nanazava izy fa polisy avy niasa fa nentin’ny mpitandro ny filaminana ihany hatao fanadihadiana. Efa nanatitra ny kahie misy ny tatitra nialany tany am-piasany izahay ary nitondra porofo fa basy karazany hafa PATT fa  tsy marika UZI no ampiasain’ny polisinay amin’iny faritra iny”, hoy ny lehiben’ny voasambotra, Commandant de l’USI (Unité Spéciale d’Intervention), ny Kaomisera Patrick Andrianavalona. Ny mahalasa saina ny mpanara-baovao raha amin’ny lojikan’ny famotorana no misy teny mifanohitra toy izany dia lasa diso daholo ilay lazaina. Mifanohitra ny tenin’ny Kaomisera hoe : “lalana tsy azon’ny fiara aleha ka nandeha an-tongotra ilay polisy, nefa ny fiaran’ny zandary tamy avy any nandrehitra jiro”. Azo eritreretina fa mety matanjaka na kelikely ny fiaran’ny zandary fa lehibe loatra na osa ny fiara nanatitra an’ilay polisy. Izay rehetra saofera koa dia mahafantatra fa misy lalana azon’ny fiara iverenana fa tsy azo androsoana.

Haja Nirina

 



Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT