Fandriampahalemana

Fanafihana teny Ambohipo Jiolahy roa maty voatifitry ny UIR


  • Talata 26 Febroary 2019

Jiolahy roa no voatifitry ny polisin’ny UIR teny Antsobolo, Ambatomaro omaly alatsinainy tokony ho tamin’ny 12h30 raha saika hamaky toeram-pivarotana fanafody iray teny Ambohipo. araka ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena.

 

Avy amin’ny tsara sitrapo no nahafantarana fa misy andian-jiolahy miisa efatra mikononkonona hanao fanafihana mitam-piadiana eny amin’iny faritra Ambohipo iny. Rehefa naheno izany ny polisy dia nanao ny fanadihadiana ary niezaka nanara-maso. Naharitra herinandro ny fanaraha-maso natao azy ireo. Omaly alatsinainy 25 febroary no voatondro fa hanaovan’izy ireo ny ketrika eny Ambohipo ao amin’ny toeram-pivarotana iray. Rehefa tonga teny Ambohipo ireto jiolahy dia tsikaritr’izy ireo fa misy manaraka ka nirifatra nitsoaka avy hatrany. Raikitra ny fifanenjehana nanomboka teny Ambohipo, nihazo an’Ambolokandrina, ary tonga teny Antsobolo, Ambatomaro. Nitondra basy poleta sy sabatra moa ireto jiolahy ka nitifitra ny polisy avy hatrany rehefa tonga teny Ambatomaro. Raikitra ny fifandonana teo. Vokany, voatifitry ny polisy ny jiolahy roa ka naratra mafy, tafatsoaka kosa ny roa ambiny. Nentina tany amin’ny hopitaly moa ireo voatifitra saingy tsy tana ny ainy. Fantatra fa efa mpanao fanafihana mitam-piadiana eny amin’ny boriborintany fahatelo iny izy ireo.

Haja Nirina

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT