Fandriampahalemana

Fanafihana tany Tsihombe Voatifitra teo amin’ny kibony sy ny fony ilay raim-pianakaviana


  • Sabotsy 04 Aprily 2020

Tokony ho tamin` ny 6 ora hariva, ny alakamisy lasa teo, nisehoana fanafihan-jiolahy nahafatesana olona tany Tsihombe.

 

 

 

Raim-pianakaviana iray no namoy ny ainy noho ny tifitra nahavoa azy. Olona 3 hafa ihany koa no naratra mafy. Nditra an-keriny taminà tokantrano iray ireo dahalo 5 nitondra basy sy antsy nanao ny fanafihana. Avy hatrany dia nitifitra ka bala roa teo amin’ny kibony sy ny fony no nahafaty avy hatrany ilay raim-pianakaviana, ary tifitra hafa kosa no nandratra ireo olona 3 hafa. Araka ny loharanom-baovao dia famonoana ho faty an` ilay raim-pianakaviana ity mihitsy no tena tanjon’ireto jiolahy ireto. Tsy noraharahain’izy ireo tokoa mantsy ny vola, izay nambaran’ny tao an-trano fa nomena azy ireo, raha vantany vao tafiditra tao an-trano izy ireo. Taorian’ny fitifirana dia nirifatra ireo jiolahy ka nanao fanarahan-dia avy hatrany ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona saingy tsy nisy tratra izy 5 lahy nanafika. Raha ny fantatra dia manaraka fitsaboana ao amin` ny hopitaly ao Tsihombe ireo telolahy voatifitra.

 Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT