Fandriampahalemana

Fanafihana tany Est Vinany Lasa ny basy sy ny vola rehetra


  • Alatsinainy 19 Oktobra 2020

Mpandraharaha iray mipetraka sy monina ao amin'ny Fokontany Est Vinany any Ambositra, toerana fantatra amin’ny hoe: ampitan'ny Tany Malalaka, notafihan'ny dahalo mitam-basy ny sabotsy alina tamin'ny 12 ora sy sasany teo ho eo, raha ny vaovao azo.

 

 

 Lasan'ireo olon-dratsy ny vola tao an-trano, izay tsy fantatra mazava ny isany. Lasany ihany koa ny basy fiarovan-tenan'ilay tompon-trano. Tsy nisy naratra, tsy nisy aina nafoy. Tonga teny an-toerana ny Zandary avy amin'ny Borigady Ambositra sy ny Polisy avy ao amin'ny DRSP Amoron'i Mania saingy efa lasa ireo Dahalo. Omaly maraina ihany koa dia tonga teo ny Ekipan'ny Zandary miaraka amin'ny alika mpitsongo, dia saingy efa voahosihosy ilay toerana dia mety handiso ny fanaraha-dian'ilay alika ka tsy afaka natao ilay izy, ny tompontrano rahateo miompy alika ihany koa. Mitohy kosa anefa ny fanadihadiana ataon'ireo mpitandro filaminana ireo mikasika ity raharaha ity, hoy izy ireo. Isan’ny mety ho hirika ny fisian’ny taim-bala latsaka, izay balana kalaky, misy laharana ny bala mety afahana ny nipoirany, indrindra sanatria avy amin’ny mpitandro filaminana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT