Fandriampahalemana

Fanafihana tany Antsirabe Olom-pantatry ry Masera ihany ireo jiolahy


  • Alakamisy 07 Jona 2018

Sarona ihany rehefa niriaria sy mbola nanohy ny asa ratsiny ireo nanafika ny Masera ny alin’ny 7 mey 2018 lasa teo.

 Raha ny fanazavana nentin’ny Controleur Général de Police Ramilison Céléstin, dia ny fanafihana ny ONG Sodifafana tao Miaramasoandro-Vatofotsy no nahasamborana ireo jiolahy sasany. Ny 12 mey 2018 no nitrangan’izany ka ordinatera sy finday ary vola no lasa tamin’io fotoana io. Ny 15 mey 2018 dia hitan’ireo niharam-boina tamina toeram-pisotroana ireo jiolahy roalahy, satria tsy nisaron-tava izy ireo nandritra ny fanafihana ka dia tadidiny tsara. Niantso mpitandro ny filaminana avy hatrany ireo lasibatra ka notanana nanaovana fanadihadiana ireo roalahy voasambotra ary notanana am-ponja vonjimaika satria mbola nitohy ny fanadihadiana. Rehefa tany am-ponja kosa moa izy ireo dia niady hevitra amin’ny tohin’ny fanadihadiana ka ren’ny namany tao am-ponja izy ireo nilaza fa: “ny raharaha tao Miaramasoandro ihany no resahina sao mipoitra eo koa ny an-dry Masera”. Nampitain’ireo namany tany amin’ny polisy izany ka navoaka ny fonja indray izy ireo nanaovana fanadihadiana. Tsy niaiky ny heloka nataony izy ireo ka nantsoina ry masera ary nanamafy fa ny 3 tamin’ireo voasambotra dia tadidiny avokoa, satria tsy nisaron-tava ihany koa izy ireo nandritra ilay fanafihana tao aminy. Ny loza aza dia hay olom-pantatry ry masera ihany izy ireo. Natolotra ny fampanoavana moa izy ireo ary dia niampy indray ny vesatra hitanana azy ireo am-ponja.

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT