Voasambotry ny mpitandro ny filaminana ny olona 8 ahiana ho nahavanona ny fanafihana taksibrosy tany amin’ny lalam-pirenena faha-4 (RN4 PK 160) ny alin’ny sabotsy teo.
Sarona niaraka tamin’izy ireo ihany koa ny fitaovam-piadiana maro samihafa toy ny lefona, sabatra, famaky ary ody gasy. Tafaverina avokoa ireo finday sy « cartes bancaires » an’ireo mpandeha izay nalain’ireo dahalo tamin'ny fanafihana izay nitranga. Fiaraha-miasan’ny zandarimariam-pirenena ao Ankazobe sy ny minisiteran’ny fitaterana sy famantarana ny toetrandro ary ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety na ny ATT no nahazoana izao vokatra izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.