Tsy mbola tapitra ny fanakanana sy fanafihana taksibrosy any amin’ny làlam-pirenena faha-7 mianatsimo iny.
Dahalo manodidina ny 80 indray no nanafika taksibrosy nanao karavanina hihazo an'i Fianarantsoa omaly maraina tokony ho tamin'ny 3 ora sy sasany, teo amin’ny 5 km Avaratr’i Camp Robin, lalàm-pirenena mihazo an’i Fianarantsoa. Somary nandeha mafy ireo fiara roa tena lasibatra ireo, ka niataka kely tamin’ny hafa sy ireo zandary, ary noheverin’ireo dahalo fa tsy nisy fiara namany sy ny an’ny zandary. Niezaka nandositra ny mpamily raha sendra ireo dahalo, ka tamin’izany no nampivadika ilay fiara. Teo no saika hanararaotan’ireo hanaovana ny fandrobana saingy nipoitra tampoka ny fiara nitondra ireo zandary ary nanomboka teo ny fifanjevoana. Nirefodrefotra ny basy, ka nifanjevo tanteraka ny an-daniny sy ny an-kilany satria nampiasa grenady mihitsy ny zandary, ka resy tosika sy vaky nandositra ireo olon-dratsy. Tsy nisy ny aina nafoy na ny zavatra voaroba fa ny fiara “sprinter” nivadika no potika tanteraka. Voatoraka ihany koa ny mpamilin’ny fiara faharoa taoriany, ka naratra. Mety ho faty olona mikararana raha toa ka tsy nisy ny zandary niaro ireo fiara, raha ny fitantaran’ny nanatri-maso sy niaina ny zava-niseho.
2 no efa voasambotra
Nitohy ny maraina ny fikarohana nataon’ny zandary ao Camp Robin sy ireo niara-dia tamin’ny taksibrosy, izay zandarin’ny toby iray eto Antananarivo. Nisy ny naratra ka narahana ny ra nitete tamin’ny lalana ary niafara tamina trano teny amin’ny manodidina. Tombanana ho niray tsikombakomba na nandray anjara tamin’ny fanafihana mihitsy ireo tratra tao an-trano. Voatery nosamborina sy tazonin’ny zandary ny olona 2, mba hanaovana fanadihadiana, raha ny fanampim-baovao ofisialy avy amin’ny zandarimariam-pirenena. Soso-kevitra aroson’ny mpandeha sy mpamily sasany amin’iny RN7 iny kosa ny hoe ny fiaran’ny zandary no mitarika ny karavanina sy mamarana izany aoriana, satria tena mihorohoro tanteraka ny ankamaroan’ny mpandeha amin’izao fotoana izao. Ny asa aman-draharaha anefa tsy maintsy atao, ka dia mitaintain-dava, toy ny soabakaka ambodiriana isak’izay mandeha. Efa zava-dehibe kosa ny fisian’ny zandary manampy sy miaro azy ireo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.