Fandriampahalemana

Fanafihana sy asa ratsy Mampiasa fiara “plaque rouge” ireo jiolahy


  • Sabotsy 16 Febroary 2019

Nohararaotin’ny olon-dratsy ny fampiasana takelaka mena (plaque rouge) misy ireo laharan’ny fiaram-panjakana. Io no vaovao nampitain’ny Talen’ny filaminam-bahoaka eo anivon’ny polisim-pirenena, Contrôleur Général de Police,

 

 

 Herilala Rakotoarimanana, nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety omaly tolakandro, teo amin’ny Toby Ratsimandrava. Novain’ireo jiolahy sasany  “plaque rouge” ny fiarany  ka ireo mpiasam-panjakana no voasoketa, moa nanana tombondahiny koa ireo tsy mataho-tody fa voahaja, noheverina fa mpiasam-panjakana. Nanambatra ny hery ny mpitandro filaminana. Ankoatra ny polisy, teo koa ny Toby Andrefan’Ambohijanahary notarihin’ny Komandin’ny Zandariamariam-pirenena, ny Général de Division Njatoarisoa Andrianjanaka, izay niara-nampita fa omena herinandro ireo tompon’andraiki-panjakana hamadihana ny fiara ho takelaka mena ary mety hiafara amin’ny fisintonana taratasy ny tsy fahavitan’izany. Tsy misy sazy mivantana avy amin’ny mpitandro filaminana kosa ho an’ireo fiaram-panjakana tratra mandeha ivelan’ny iraka nampanaovina azy ireny fa andraikitr’ireo polisy eny an-dalana ny mampilaza ny lehiben’ny Andrim-panjakana ka ireto farany no mandray fepetra amin’ireo nirahina. Nilaza ireo manamboninahitra fa hosavain’ireo polisin-dalana avokoa ireo fiarakodiam-panjakana, izay tsy anavahany na iza na iza.

Haja Nirina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT