Fandriampahalemana

Fanafihana mpiasan’ny banky Jiolahy 2 matin’ny UIR teny Ankorahotra


  • Zoma 27 Aprily 2018

Lehilahy roa no voatifitry ny polisy tetsy Ankorahotra –Ambanidia manakaiky ny Foibe Taon-tsaritany Malagasy (FTM) omaly vao maraim-be.

Maty tsy tra-drano ny iray rehefa voa teo amin’ny masony, nodimandry tany amin’ny hopitaly kosa noho ny ratra nahazo azy ny faharoa avy eo. Ny polisy avy eo amin’ny UIR (Unité d’Intervention Rapide)  no nisy niantso ary tonga ara-potoana teny an-toerana ka nifanehitra tamin’ireo jiolahy. Saika hanafika tokantrano iray teo an-toerana ireo jiolahy izay manana basy poleta roa niaraka tamina bala maromaro. Ny fantatra dia tranona mpiasana banky lehibe iray eto Antananarivo no saika notafihan’ireto jilahy ireto. Tsy fantatra aloha ny tena antony mazava saingy siosion-dresaka no nandrenesana fa nanantena handroba vola be tao amin’io trano io ireo jiolahy. Miasa 24 ora amin’ny 24 ora izahay, hoy ny ny avy ao amin’ny UIR, fantatry ny rehetra amin’ny solon’anarana hoe “Saka mainty” ary vonona amin’ny famongorana ny asan-jolahy mahery vaika eto amin’ny renivohitra.


RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT